<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>Kr. Wendelborg</author>
<lyrics>[V1]
 Endrey, izato fahasambarana :
 Jesosy dia velona indray !
 Ny foko mandre fitsaharana
 Noho Izy natsangan'ny Ray,
 Tsy any am-pasana intsony
 Fa hitako velona koa
 // Ilay Tompon'ny hery
 ambony
 Mamiratra sy manan-jo ! //

[V2]
 He, velona Izy ! Hafarany
 Izaho izao hampandre
 Ireo izay tia ny Anarany
 Ny fampiononana be,
 Anjely no mendri-kilaza ;
 Izaho, mpanompo tsy soa,
 // Nirahin'ny Tompo malaza,
 Ka ravo sy tretrika koa ! //

[V3]
 Endrey, izato fahasambarana,
 Fa velona mandrakizay
 Ny Tompo Izay nifankazarana,
 Ka faly ny foko indray !
 Ny fasana izay nampisaona
 No fampiononana koa,
 // Fa tao izahay tafahaona
 Ka ravo dia ravo ny fo ! //</lyrics>
<title>Endrey izato fahasambarana FFPM126</title>
<hymn_number>126</hymn_number>
</song>